Fizahan-teny |
| |||||||||||||||||||||
Ohabolana : lamokany | ||||||||||||||||||||||
Ohabolana | Hoy ny akoho mikotrika: Nokobaniny tany am--poto--tsofiny lahy ny atodiko; nefa ny mikiakiaka mbola ho zaza, ary ny mikobana efa lamokany. [Houlder 1895 #2304] | |||||||||||||||||||||
Ohabolana | Mainka izany raha foy, lamokany aza mikiakiaka. [Rajemisa 1985]
Mainka izany raha foy, mbola akorany aza mikiaka! [Rinara 1974] Mainka izany rehefa toy mbola atodiny aza mikiakiaka. [Houlder 1895 #1245] | |||||||||||||||||||||
Fanazavana malagasy | Enti-milaza ireo olona be avonavona, nefa tsy lasa ambony manao ahoana. [Rajemisa 1985] | |||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Que sera-ce quand il sera éclos! alors qu' il est encore dans l' œuf il crie déjà. [Houlder 1895] | |||||||||||||||||||||
Ohabolana | Ny mihobankobana no lamokany, fa ny manahaka an-drainy no zanany. [Veyrières 1913 #988, Cousins 1885 #2349]
Ny mihobankobana no lamokany, ka ny manahaka an-drainy avy no tsy ho zanany. [Rinara 1974 #3148] | |||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Ce qui s' agite dans sa coque, c' est l' oeuf gâté et non éclos ; mais c' est l' enfant qui est l' image de son père. [Veyrières 1913] | |||||||||||||||||||||
Fanazavana frantsay | Les vrais enfants, ce sont ceux qui continuent leurs parents. [Veyrières 1913 #988] | |||||||||||||||||||||
Ohabolana | ||||||||||||||||||||||
Ohabolana | Tsy lamokany izahay, fa atodiny; tsy atodiny izahay, fa zanany; tsy zanany izahay, fa naterany : izay namela anay namela lehilahy. [Cousins 1885 #3360]
Tsy lamokany izahay fa atodiny, tsy atodiny izahay, fa zanany, tsy zanany izahay fa naterany, ka izay namela anay, namela lehilahy. [Rinara 1974 #4505] | |||||||||||||||||||||
Fizahan-teny |
| |||||||||||||||||||||
![]() |