Fizahan-teny

Ohabolana : tokonana

Ohabolana Ahitra no nanafintohina, ka ny tokonana no haetry! [Rinara 1974]

Ohabolana Andevo maro tompo, ka mifidy ny avo tokonana. [Rinara 1974 #212]
Andevo maro tompo: mifidy izay avo tokonana. [Veyrières 1913 #536, Cousins 1885 #172]
Dikanteny frantsay Esclave qui est à plusieurs maîtres : il travaille d' abord pour celui qui est le plus riche. [Veyrières 1913 #536]

Ohabolana Avo tokonana ka be anjonanjona. [Rinara 1974 #29]

Ohabolana Fitia tokonana : tiana ihany fa hitsakitsahina. [Rinara 1974 #1181]

Ohabolana Izay avo tokonana, mahamena-maso. [Rinara 1974 #1481]

Ohabolana Miohatra ny tokonana tsy afaka, ka miohatra ny rindrina vao afaka ! [Houlder 1895]
Dikanteny frantsay Vous n' avez pas réussi en passant sur le seuil, et vous réussiriez en passant par-dessus le mur! [Houlder 1895]

Fizahan-teny