Teny iditra | Alasora (ala, sora) | ||||||
Sokajin-teny | anaran-tsamirery (haitoetany) | ||||||
Fanazavàna teny malagasy | Alantsora, ala be sora, no toa hevitry ny anarany (sora: biby toy ny sokina, saingy madinika, misoratra vony mitsoriadriaka). Ery amin-ny Asorotanin' i Antananarivo, atsinanana somary atsimo keliny, i Alasora, tazana tsara mierinerina, manamanana endrika izaitsizy, mavamavana erỳ an-dafin-ny ony Ikopa. Tanàna tena mana-tantara eto amin-ny Nosy i Alasora, tranainy be, efa tao hatramin-ny 400 taona mahery, nalaza talohan-Ambohimanga sy Antananarivo... [Ravelojaona 1937] | ||||||
Fanazavàna teny frantsay | petit village à 6 km au sud-est de Tananarive, qui fut, d'après la tradition, un des berceaux de la dynastie merina, puisque c'est là que régna, vers 1540, le troisième roi historiquement connu, Andriamanelo ainsi que son fils Ralambo... [Rajemisa 1966] | ||||||
Voambolana | Haitoetany: tanàna ~ Tantara: toerana | ||||||
Mpanahaka | Ny Tendrombohitra Roambinifolo | ||||||
Ohatra |
| ||||||
Teny nalaina | Soratra misy io teny Alasora io Ohabolana misy io teny Alasora io | ||||||
Fangi-bolantany | -18.95, 47.5666667 | ||||||
Haianarantany | ala, sora | ||||||
Sary |
| ||||||
Nohavaozina tamin' ny 2021/10/23 |
![]() |