Teny iditra | Andriamanitra (andry, hanitra) | ||||
Sokajin-teny | anaran-tsamirery (ara-baiboly) | ||||
Fanazavàna teny malagasy | [Rajemisa 1985]
Anarana niantsoan' ny Ntaolo ireo hery miafina ambonin' ny zavaboary ka nahatonga ny fiteny hoe Andriamanidahy sy Andriamanibavy ¶ Ilay lehibe indrindra amin' ireo hery ireo, izay navahany amin' ny fiantsoana azy manokana hoe Andriamanitra-Andriananahary, ka voalazany fa: a) tsy maintsy inoana: Manao an' Andriamanitra tsy misy ka mitsambiki-mikimpy b) nahary tongotra aman-tanana ny olombelona d) mahalala ny zavatra rehetra: Avo fijery Andriamanitra ka mahita ny takona e) manohy mitahy ny olombelona hatrany hatrany: Ny iray tahitahin' Andriamanitra ny iray tahitahin' olombelona f) marina ka mamaly ny ratsy sy ny tsara: Bibilava vonono, tsy tanana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana g) tsara fo: Tsy misy tsy hitan' Andriamanitra saingy minia miondrika izy h) fototry ny lalàm-pitondran-tena: Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao antampon' ny loha ¶ Razana araka ilay fiteny iantsoana ny maty hoe: Lasan-ko Andriamanitra ¶ Ny masoandro, izay lazaina amin' ilay fotoana mitsidika andro iny hoe: Andriamanitra mby an-trano | ||||
Fanazavàna teny anglisy | [Richardson 1885] God. The word up to recent times was used in speaking of idols, charms, the deceased sovereigns, the reigning sovereign, anything valuable or wonderful; in these latter sense it seems equivalent to divine, supernatural, extraordinary, or surpassingly excellent. It is still so used in the more distant parts of the island, and among the unenlightened people of the central province even. It is said that the name was so given because while the body might not be seen, there was a fragrancy attending the name. See zanahary | ||||
[Hallanger 1973] God | |||||
Fanazavàna teny frantsay | [Abinal 1888, Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995] Dieu | ||||
[Abinal 1888] ¶ Le Créateur | |||||
Voambolana | Soratra Masina | ||||
Haiendriteny |
| ||||
Fanafohezana | Andtra | ||||
Mpanahaka | Andriananahary ~ Zanahary | ||||
Ohatra |
| ||||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny Andriamanitra io Toko sy andininy momba Andriamanitra | ||||
Lahatsoratra | Randzavola: Diksionera amin' ny Baiboly: Andriamanitra | ||||
Teny iditra | andriamanitra | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Fanazavàna teny anglisy | [Hallanger 1973] a god (sometimes used of the ancestors) | ||||
Fanazavàna teny frantsay | [Abinal 1888] dieu. Autrefois on donnait ce nom aux objets du culte superstitieux, et aux bonnes choses, comme nous disons divin pour exprimer une qualité supérieure | ||||
[Hallanger 1974] un dieu (se dit parfois des ancêtres) | |||||
Voambolana | Fivavahana, finoana | ||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||
Ohatra | [Rabezandrina: Ikotofetsy]
Ny vodiny nomeny ny andriamanjaka, fa izany no ataony ho andriamanitra hita-maso. | ||||
Nohavaozina tamin' ny 2022/07/18 |
![]() |