Teny iditra Betsileo (be, tsy, leo)
Sokajin-teny anaram-poko
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Foko lehibe monina amin' ny tany voafaritry ny ony Mania, avaratra; ny tanin' ny Tanala, atsinanana; ny tendrombohitr' Andringitra, atsimo, ary ny tandavan-tendrombohitr' i Bongolava, andrefana. Mizara telo ny Betsileo: ny avaratra (renivohitra: Ambositra), ny afovoany (Ambohimahazo, Ambohinamboarina), ary ny any atsimo, izay mitsinjara telo indray: Isandra, Ilalangina ary Iarindrano. Tanàn-dehibe: Fianarantsoa, Ambositra, Ambohimahasoa, Ambalavao
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] A tribe inhabiting the South-central parts of the island.
Fanazavàna teny frantsay  [Rajaonarimanana 1995] nom d'une population du centre sud de Ma [...]
Voambolana 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Tsanganana sy sary iray takila Tenim-pirenenana
Ohatra 
1 [Fagereng: Tantara, takila 93] Andriamanalinarivo nanjaka tany Betsileo.
2 [Dahle: Angano, takila 201] Tany Betsileo avaratra koa, hono, nisy azy.
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31