Teny iditra adalaina (adala)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] taomina amin' ny fanangolingolena ka ohatra ny atao izay hahavery ny loha: Nadalain' iny tovolahy iny nandritra ny telo volanany zanany vavy
¶ lalaovina, atao fihomehezana: Efa miendrik' adala loatra ny anao lahy amin' ilay volo lavany ka tian' ny olona hadalaina
¶ fetsifetsena, ambakaina: tsy azon' ialahy adalaina intsony aho
¶ ariana andro: Aza adalain' ialahy amin' ny resaka foana eto aho fa tsy vitako ny asako
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] To be befooled, to be imposed upon, to be deluded. adalana is used in the provinces.
  [Hallanger 1973] to be made foolish, to be made a fool of
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888, Hallanger 1974] qu'on dupe
  [Abinal 1888] Qu'on séduit, à qui on fait perdre la tête, dont on se joue, qu'on importune
  [Hallanger 1974] de qui on se joue
Haiendriteny 
adalaina
adalaiko
adalainao
adalainy
adalaintsika
adalainay
adalainareo
adalain'
adalain-
adalaim-
adalai-
nadalaina
nadalaiko
nadalainao
nadalainy
nadalaintsika
nadalainay
nadalainareo
nadalain'
nadalain-
nadalaim-
nadalai-
hadalaina
hadalaiko
hadalainao
hadalainy
hadalaintsika
hadalainay
hadalainareo
hadalain'
hadalain-
hadalaim-
hadalai-
adalao
Mpitovy hevitra adalana
Ohatra  [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 54] Reny fa mbola hadalain' ny kilonga amin' ny andrana sy fitarihana azy am-posy ilay borizanolahy nanatitra azy.

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31