Teny iditra aho
Sokajin-teny mpisolo anarana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Ravelojaona 1937] (Maley ako; Maleyo-polyneziana au): izaho. Amin'ny Merina, dia iray ihany ny IZAHO sy ny AHO, saringy ny fitoerany eo amin'ny fandehan'ny teny, na ny fehezanteny: ny izaho enti-manomboka, ary ny aho vodi-lalana: "izaho (no) handeha", "handeha aho". Ny ankamaroan'ny Tanindrana dia manao aho, manala ny z, izay tsy hita koa amin'ny mpisolo anarana sy ny teny maro hafa: ahay na iahay (izahay); ie na ii (izy); aia (aiza), Ianahary (Zanahary). -- Ny tany aloha nampiasa ny matoanteny miaho na miahoaho: mizahozaho -- mitompo teny fantatra, miditra manao azy ho zavatra. -- Ahoina, ahoizina, ahoy, ahoizo: mpiaho, mpiahoaho, ets.
  [Rajemisa 1985] mpisolo anarana misolo olona, enti-milaza ny olona miteny ka atao teny lazaina, mitovy amin'ny izaho ihany, saingy ny izaho manomboka hehezanteny ary ny aho mamarana: ~ Handeha rahampitso vao maraina aho. ~ Izaho handeha rahampitso vao maraina
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] I, myself. This word is chiefly used after the predicate, and izaho is used before. [Malay ako, Polynesian au]
  [Hallanger 1973] I
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888] je, moi. Il se met toujours après le verbe.
  [Rajaonarimanana 1995] je, moi (se place générale [...]
  [Hallanger 1974] je
  [Beaujard 1998] [Tanala] je, moi. [cf. aussi iaho, izaho].
Fanazavàna teny italianina  [Profita 1969] io
Sampanteny 
Mpanahaka  ahy ~ -ko, -o
Tsanganana sy sary iray takila ny mpisolo rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2022/05/02