|
|
|
|

Teny iditra1 akoho
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3Karazam-borona mpitsindroka, somary boribory vatana bontolontolo vava somary mamokotra, fohifohy elatra ka tsy afa-manidina lavitra, fiompin' ny olombelona hatramin' ny ela be noho ny henany sy ny atodiny, (akohovavy, akoholahy, vontotr' akoho, akohokely).
4Ny teny ilazana ny feon' akoho dia ireto avy: mikoraika (ny akohovavy), mikakàka (ny akohovavy hanatody), mikoràka (ny akohovavy avy nanatody na nisy nanaitra), maneno (ny akoholahy), mikohokoho (ny akoholahy miantso ny akohovavy na ny akohovavy miantso ny zanany. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5the domestic fowl. [Sw. k'aka (?).]. [1.2]
6a chicken. [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7poule. [1.54]
8poulet. [1.8]
[akôho] 9coq, poule. [Sakalava-Mayotte] [1.405]
Ohatra  10 "Angady no entiko andeha hatakaloko akoho. [2.293]
11 Fa ny akohonay no novonoina ho an' I Manana. [2.472]
12 sao hendratrendratry ny akanga tsara soratra lahy
ka tsy nahatsiaro ny akoho niandry ao an-trano
[2.131]
Haiendriteny 
13 Tsotra :
Voambolana  14 Haibiby: vorona
Kamban-teny rehetra  15Fikambanana 92 amin' io teny io
Ohabolana  16 Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  17 akoho, 18 hokoa

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09