Teny iditra alakamisy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Ravelojaona 1937] (Arabo El-khamis, na Al-chamisu: fahadimy; Soehily Alhamisi).

Alakamisy no andro voalohany tamin'ny razana; andron'Andriana, fisantarana ny zavatr'Andriana; andro fidin'ny Andriana hisehoana amin'ny ambanilanitra. Voalaza ho tenin-dRafohy, mpanjakan'Alasora, sahabo ho 400 taona lasa izay, ny hoe: "Anao ny Alakamisy, Andriamanelo, fa Andriamatoako ianao, ka ianao no manjaka voalohany". Alakamisy no nisehoan'Andriamanelo; Alakamisy no nihadiana ny hady voalohany, teo Alasora. Dia hita tantara toy izany: samy nanaja ny Alakamisy, Ralambo, Andrianjaka, Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina.

Misy toy ny petaka toko na tandrifin-drahona ihany ny an'ny ntaolo: nalainy ara-bakiteny ny hoe Alakamisy: maka (malaka) sy misy: andro tsara, andron'Andriana, mampisy fanambinana; ny zavatra irina hisy soa mitontohitra no atao, alaina na santarina Alakamisy; sady andro ratsy koa anefa: mampisy loza -- fady dia fady ny mandevina Alakamisy, mbamin'ny miala saona, ny mamangy malahelo. Ny Alahady koa tsy fandevenana -- ankevitry ny noho ny teny hoe hady, ka mampihady fasana lava. Ny T. dia be no mifady Alakamisy, tsy miasa.

Ny olona teraka Alakamisy dia natao hoe Ikamisy, na Rakamisy, Andriamisy, Andrianisa (?) (isa, voalohany), raha vahoaka; fa ny andriana kosa: Ramisa, Ramisavola, Ramisamanjaka, Ramisarivo. -- Ny faditry ny andro Alakamisy dia ny akorandriaka. Raha ohatra la Alakamisy no ahatsinanan'ny Alahasaty, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa tsy manja mena amin'io andro io. -- Dia ao ilay fady, tandreman'ny ntaolo, tsy atao amin'ny andro ahaterahana: tsy mihety, tsy manala hoho.

  [Rajemisa 1985] andro fahadimy amin'ny herinandro. Araka ny hevitry ny Ntaolo: tononandro tsara fa manantena hisy; taloha: fivoahan'ny Andriana sy fanantarana ny zavatr'Andriana, fanantaran-trano, fampakaram-bady, fiakaran'ny tafika sady fivoahany; andro tsara ny alakamisy ka tsy mba nandevenana fa raha misy maty, dia miandry zoma alevina.
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] Thursday. [Ar. Al-chamisu - Fifth.]
  [Hallanger 1973] Thursday
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888, Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995, Rajaonarimanana 1996] jeudi
  [Rajaonarimanana 1995] ~ Amin'ny alakamisy (À jeudi) ~ Alin'ny alarobia hifoha alakamisy (La nu [...]
  [Beaujard 1998] [Tanala] jeudi [ar.: Kamsa, cinq, al-Kamis, jeudi]
Fanazavàna teny italianina  [Profita 1969] giovedi
Fanazavàna teny alemà  [Bergenholtz 1991] Donnerstag. Amin'ny alakamisy faha...: am Donnerstag, dem/den... Ny alin'ny alarobia hifoha alakamisy: die Nacht von Mittwoch auf Donnerstag.
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Fizaran' andro
Ohatra 
1 [Cohen-Bessy: Rakotovao, takila 171] Tamy ny andro Alakamisy 1 Alahamady, 1 July 1886, nonitokanana ny trano fiangonana ao Anjanahary.
2 [Rajohanesa: Kintana] Randriampeno dia nangataka mba hatao amin'ny iray volan'ny Alakamisy ho avy, ary ny ray aman-dreniny nanaraka izany;
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny alakamisy ity (3): Alakamisy, Alakamisy-Ambohijato, Alakamisy-Anativato

Teny iditra alakamisy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] hazo anaovana fanafody Crateva excelsa.
¶ Zavamaniry azo atao ody tazo ny fakany, manampy ny kininina(Burasaia nigrescens).
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] a tree used in house-building. It is said to be brought from the forest only on Thursdays, hence its name. Chips of the wood are used as a remedy for colic and indigestion.
¶ Probably the same as the preceeding. Used by the Sakalava as a medecine for pains in the head.
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888] arbre dont on fait des remèdes.
  [David: Dialectes (takila A)] [Tankarana] nom d'une plante (?), écorce et feuilles utilisées en tisane contre les coliques.
Fanazavàna teny anglisy  [Schatz: Flora] Burasaia crateva
Fanazavàna teny frantsay  [Boiteau 1997] [Bezanozano] (de l'arabe al - chamisu = le cinquième, désigne le 5e jour de la semaine, c'est-à-dire le jeudi). C'était le jour réservé à honorer le souverain, les gens de caste noble, et considéré comme faste. Les plantes qui portent ce nom sont considérées comme de puissants fortifiants, donnant le pouvoir moral de surmonter les obstacles. Plusieurs d'entre elles sont effectivement riches en alcaloïdes. Ce sont principalement :
¶  Schismatoclada psychotrioides Baker (Rubiaceae).
¶  Euodia chapelieri Baillon (Rutaceae).
¶  Crateva excelsa Bojer (Capparaceae).
¶  Burasaia nigrescens Capuron Nom. In Sched.(Menispermaceae).
¶  Crotalaria cytisoides Roxb. ex DC. (Fabaceae).
Voambolana 
Anarana siantifika Crateva excelsa, Euodia chapelieri, Schismatoclada psychotrioides
Ohatra  [Callet: Tantara, takila 104] alakamisy, asaina ny fakany, ary sotroina amy ny rano
Teny nalaina 
Fitanisam-boky Schatz: Generic Tree Flora of Madagascar

Teny iditra Alakamisy
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Ravelojaona 1937] Raha nanorina ny tsena voalohany teto anivon'ny riaka Andrianampoinimerina dia ny tsena Alakamisin' Ambohimanga no voalohany indrindra, dia Anjoman'Antananarivo no faharoa, Asabotsin'i Namehana no fahatelo, Alahadin'i Lanifasana no fahefatra, Alatsinainin'Andranovintana (Alatsinainin'Ambohipoloalina ankehitriny) no fahadimy, Talatan'i Volonondry no fahenina, Alarobian'Amboanjobe no fahafito -- ireo tsena fiton'Andrianampoinimerina ireo no toy ny tsangambaton'ny filaharan'ny andron'ny ntaolo.
  [Rajemisa 1985] anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io.
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] the place where Thursday's market is held.
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888] les marchés du jeudi: l'emplacement du marché
  [Rajaonarimanana 1995] marchés du jeudi.
Voambolana 
Ohatra  [Callet: Tantara, takila 144] Ny orimbato hoe Manganiha ny eo avaratr' Alakamisy, sy ny orimbato eo Antsahamasina
Fangi-bolantany -21.9, 46.9166667
-20.45, 47.2833333
-20.2, 47.3166667
-18.8333333, 46.5666667
-18.65, 47.7
-18.5333333, 47.9333333
Haianarantany alakamisy

Nohavaozina tamin' ny 2020/12/15