Teny iditra alalana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Fanelanelanana
¶ Asa ataon' olona izay misolo tena mangata-javatra na fahasoavana ho an' olona iray hafa: Tamin' ny alalan' ny sakaizako no nahazoako io toerana io
¶ fanalalana, fanelanelanana (Tsy tokony hampiasaina mba hisolo ny teny hoe lalana io teny io toy ny mahazatra ny maro izay manao hoe: Nahazo alalana, mangataka alalana hanao izao aho; fa ny tokony ho izy dia: Mangata-dalana, nahazo lalana)
¶ Iraka na zavatra mampitohy ny andaniny sy ny an-kilany.
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] [a, prep., and lalana, way, road.] The agent or person between parties in communication with one another; a messenger, a mediator, a "go-between;" the communication carried by an intermediate person.
  [Hallanger 1973] a going between
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888] Message, entremise, médiation, intercession, intermédiaire, messager, entremetteur, médiateur, intercesseur, parlementaire
  [Hallanger 1974] entremise, médiation
Sampanteny 
Haiendriteny 
alalana
alalan'
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra  [Andriamalala: Fasana, takila 8] Tsy manana alalana hanadino sy handà ny tanindrazany sy ny fireneny izy, ka hihevitra ireny ho toy ny tsy misy!
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2021/12/03