Teny iditra ambany atsimo (ambany, atsimo)
Sokajin-teny fomba fiteny
Mpanahaka  ambany avaratra ~ ambany atsinanana ~ ambany andrefana
Ohatra 
1 [FOFAFIPE: Haivola, takila 83] avy any ambany atsimo: "Vonjeo e!
2 [Rajemisa 1985] Nokatrohan' izy telo lahy ny tanimbary ao ambany atsimo ka vita vetivety foana
3 [Ravelomanana: Lalana, takila 87] Nony teo ambany atsimon' ny tanànan' Anahimalemy dia nialana ny fiarakodia rehetra.
4 [Randriamiadanarivo: Sikajy, takila 24] Omby iray no anay taty an-tanàna fa ny sisa dia nozarain-dry zareo tao ambany atsimo.
5 [Rajohanesa: Kintana] Nazava dia nazava ny alina tamin'izay ary nangina dia nangina, ka tsy nisy zavatra re afa-tsy ny fisiaky ny ahitra sy ny fimonomonon'ilay renirano kely tao ambany atsimo nifangaro tamin'ny feon'ny tamotamo
6 [Ravelojaona 1937] [Ikopa] ... renirano lehibe eto Imerina, miandoha ao avaratra-atsinanan' i Manjakandriana, dia mandalo eo ambany atsimon' Antananarivo

Teny iditra Ambany Atsimo (ambany, atsimo)
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Ohatra  [Midi Madagascar ] Zazalahy mbola vao folo taona monja no nampikaikaika ireo mponina tao amin'ny fokontany Ambany Atsimo

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31