Teny iditra | Andriamatoa (andry, toa) | |
Sokajin-teny | anarana | |
Fanazavàna teny malagasy | Anaram-panajana iantsoana ny lahimatoa ao amin' ny ankohonana: Andeha antsoy kely hankatỳ Andriamatoa, hoy i dada tamin-dRandriamparany ¶ Teny fanajana fanao eo alohan' ny anaran-dehilahy hajaina izay resahina: Tonganamangy anay omaly andriamatoa Rabevokatra. (Tsara homarihina fa mitovy lanja amin' ny Ingahy izy eto saingy ny fampiasana azy tany an-tendrony no samy hafa fa Andriamatoa no natao raha andriandahy ilay olona notenenina ary Ingahy raha hovalahy: Andriamatoa Ramahatra, Ingahy Rainilaiarivony) ¶ Teny fanajana fanao eo alohan' ny anaram-boninahitra entin' ny lehilahy anankiray raha miresaka aminy na miteny azy: Andriamatoa Minisitra, voninahitra ho anay ny mandray anao eto amin' ny tanànanay. Dia naka toerana teo ambony lampihazo Andriamatoa ben' ny tanàna [Rajemisa 1985] | |
Fanazavàna teny anglisy | [matoa, the firstborn.] The name of the eldest male in a family; a title of respect. [Richardson 1885] | |
Mister [Hallanger 1973] | ||
Fanazavàna teny frantsay | Monsieur [Hallanger 1974] | |
Voambolana | Teny fanajana | |
Fanafohezana | Atoa | |
Teny mifanohi-kevitra | Ramatoa | |
Mpanahaka | Ingahy | |
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny Andriamatoa io | |
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |