Teny iditra | andro | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Fanazavàna teny malagasy | [Bara] masoandro, orana: Avy ñy andro [Rakotosaona 1975] | ||||
Fotoana manelanelana ny misasak' alina anankiroa, na hoe adiny efatra amby roapolo: Nipetraka roapolo andro tany Antananarivo izahay ¶ Ny fotoana anazavan' ny masoandro ny tany, izany hoe ny fotoana manelanelana ny fipoirany sy ny filentehany, na hoe adiny roa ambin' ny folo (mifanohitra amin' ny alina): Fohy ny andro rehefa ririnina, fa ny alina kosa lava ¶ Taratry ny masoandro: Misakisaha fa tratran' ny andro ianao eo ¶ Fotoana nisehoan-java-dehibe, na nanjakana mpanjaka malaza iray: Amin' izao andron' ny baomba atomika izao ~ Efa nanomboka ny fandrosoana tamin' ny andron-dRadama rainy ¶ Ny fiainan' ny olombelona eto an-tany: Fohy ny andron' ny zanak' olombelona, hoy ny Soratra Masina ¶ Vintana: Ratsy andro, hono, itỳ zaza itỳ, araka ny filazan' ny mpanandro ¶ Toetran' ny habakabaka, ny rivotra, ny hafanana sy ny hatsiaka: Tsara ny andro androany fa manga ny lanitra ~ Mangatsiaka ny andro amin' ny ririnina ¶ Fotoana: Vary andro foana eto aho [Rajemisa 1985] | |||||
Fanazavàna teny anglisy | the day, the daytime; a period. [Mal. hari; Dyak andow.] [Richardson 1885] | ||||
a day; an epoch or period ¶ a great day [Hallanger 1973] | |||||
Fanazavàna teny frantsay | jour, temps [Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995 takila 65] | ||||
époque [Rajaonarimanana 1995 takila 65] | |||||
Voambolana | Fotoana | ||||
Sampanteny |
| ||||
Haiendriteny |
| ||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny andro io | ||||
Lahatsoratra | Randzavola: andro ao amin' ny Baiboly | ||||
Teny iditra | andro | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Fanazavàna teny anglisy | [Richardson 1885] | ||||
Fanazavàna teny frantsay | action de se baigner, bain [Abinal 1888] | ||||
Sampanteny |
| ||||
Haiendriteny |
| ||||
Teny iditra | andro | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Fanazavàna teny malagasy | [Taisaka] habokana [Rakotosaona 1975] | ||||
Fanazavàna teny frantsay | [Taisaka] lèpre [Deschamps 1936] | ||||
Voambolana | Fahasalamana | ||||
Haiendriteny |
| ||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |