Teny iditra ankamantatra (fantatra)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Filazan-javatra izay tiana hovinanin' ny hafa ka ny toetoetran' ilay zavatra hofantarina no lazaina amin' ny teny somary lavalava: Inona àry izany: Manam-bava hihinana, fa tsy manan-kibo hasiana? (Hety na antsy)
  [http://www.haisoratra.org/article.php3?id_article=302] Ny ankamantatra dia avy amin'ny fototeny hoe fantatra. Misy zavatra tian-kofantarin'ny mpihaino ary ilana valin-teny eo no ho eo fa tsy miandry ela. Misy olona iray mpitarika mametra-panontaniana izay miandoha hatrany amin'ny hoe: "Inona àry izany?". Miantefa amin'ny mpivory rehetra mandray anjara amin'ity kilalao ity ny fanontaniana ary izay mahita na mahalala dia mananga-tanana ka manome ny valiny avy hatrany. ...
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888] énigme, charade
  [Rajaonarimanana 1995] devinette, énigme
Voambolana 
Mpanahaka  ampanonona ~ ankifidy
Habaka Haisosatra.org: Ankamantatra (http://www.haisoratra.org/article.php3?id_article=302)

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31