Teny iditra | antitra | |||
Sokajin-teny | mpamaritra | |||
Fanazavàna teny malagasy | Be taona, ela niainana: Efa antitra dia antitra i dadabe fa ila tsy afaka mandeha intsony ¶ Zavamaniry fihinana toy ny katsaka, tsaramaso, mangahazo... efa azo hanina, tonga amin' ny fotoana efa ahazoana mihinana azy: Efa antitra ireto mangahazo ireto fa hadio ¶ (loko) Tsy matsora, fa matevintevina: Soloy manga antitra itỳ lambam-baravarankely ¶ Lany andro, tsy fampiasa intsony: Efa lamaody antitra izany dihinareo izany, hoy i Koto tamin-dRainy ¶ Antitra, tranainy, goga, konka, golagoay. [Rajemisa 1985] | |||
Fanazavàna teny anglisy | mature, ripe, aged, old, permanent, durable, gone through with, completed, perfected; deep as applied to colours; old in the sense of used up, or worn out, as a pen, a coat, etc. [Richardson 1885] | |||
mature; aged; dark (of colors); [Hallanger 1973] | ||||
Fanazavàna teny frantsay | âgé, vieux; mûr; foncé [Hallanger 1974] | |||
Sampanteny |
| |||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| |||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny antitra io | |||
Lahatsoratra | Randzavola: antitra ao amin' ny Baiboly | |||
Nohavaozina tamin' ny 2020/11/25 |
![]() |