Teny iditra antso
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Famoahana feo na fanononana teny hampanatona na hampiavy olona ho tonga eo amin' ny tena; famoriana olona hanatrika na ho tonga; fanirahana hitaona olona ho avy
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885, Hallanger 1973] a call, a summons
  [Richardson 1885] an invocation
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888 takila 57, Hallanger 1974] appel, convocation
  [Abinal 1888 takila 57] publication, proclamation, invocation
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1 [Andriamalala: Fanagasiana, takila 5] hoy ny antso avo afitsony.
2 [Andraina: Mitaraina, takila 217] Heno ny antso, ny baiko mifanaretsaka etsy sy eroa.
3 [Randzavola: Baiboly, takila 911] Miseho ao koa ny antso nataon-dravehivavy sy ny valin-tenin' ila.

Teny iditra antso
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Boiteau 1997] [Sakalava] (de antso : action d'invoquer une puissance occulte ; cette plante toxique était employée dans les cérémonies d'exorcismes). Euphorbia antso Denis (Euphorbiaceae). Toxique dans toutes ses parties. Latex très irritant, caustique.
Voambolana 
Anarana siantifika Euphorbia antso

Teny iditra Antso
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo)
Mpanoratra Dox (Razakandraina Jean Verdi Salomon)
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra Sendra mba nitopy, ity masoko nijery
hendratra ny foko, nahatsiaro ho irery
fa toa any aminao, lay fanalahidy
notadiaviko hatrin’ny ela…tsy tadidy

Fa taiza ianao… notadiaviko efa ela
tao anatin’ny tsy fantatro sy ny sisa mba tavela
fa nandalovanao ny masoko, ny foko tao anaty
velombelombolo aok’izany, tondrak’orana tsy maty

Angamba tsy ho kisendra ito lala-mifanojo
fa ny lahatra mihintsy no vintana voatondro
anjaran-tsika ny ampitso, hihainana anio
koa raiso ‘zany foko, ny antsony valio

Teny iditra Antso
Sokajin-teny anarana (lohatenin' boky na seho an-tsehatra)
Mpanoratra Andriamalala Emilson Daniel, 1943
Fanonta printy 1961. Takila: 53.
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2022/02/14