Teny iditra ariary
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Anaran' ny vola izay nataon' ny Malagasy ho venty na fototry ny volany fahizay, ka ny sandany dia 4,80 frs tany aloha ary 5,00frs taty aoriandriana. Ny ariary no novakina ka nahazoana ny vola madinika na vakim-bola rehetra: ny 1/2: loso; ny 1/3: sasanangy; ny 1/4: kirobo; ny 1/6: venty / ny 1/8: sikajy; ny 1/72: eranambatry. Matetika no hafohezina ho ary fotsiny ny teny hoe ariary raha miaraka amin' ireto teny ireto: zato, folo, sivy, valo, fito, enina, dimy, efatra, telo, roa: Ary zato, ary folo..., mitovy amin' ny hoe: ariary zato, ariary folo
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] a dollar; usually used of cut money. [Ar. al-rial, from Sp. Real.; Swa. reale.] See farantsa.
  [Hallanger 1973] a "dollar", five francs
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] une "piastre", cinq francs
Voambolana 
Teny nalaina 

Teny iditra ariary
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [David: Dialectes (takila A)] [Tankarana] nom d'une espèce de cordages, haubans.
Voambolana 

Teny iditra ariary
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rakotosaona 1975] [Betsimisaraka] velarana
Fanazavàna teny frantsay  [Rakotosaona 1975] surface

Teny iditra ariary
Sokajin-teny mpampiankin-teny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Rakotosaona 1975] [Taimoro] manodidina

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31