Texte complet |
7 Ary hitako fa tsy misy zava-maharitra
8 Eto ambonin'ny tany;
9 Izay mila hoheverina ho mahafinaritra
10 Dia mihelina ihany.
11 Nisaina aho, nandinika, niandry sy niaritra,
12 Hamantatra hatrany,
13 Fa tsy misy mihitsy na dia iray aza faritra
14 Tsy tratran'izany.
15 Ary hitako ny filendan' ny olo-mangirika
16 Ny fahasambarana,
17 Mitady harena izay andriany ilika
18 Tsy misy hasasarana:
19 Ny sasany lasana lavitra ery no mijirika
20 Irony fianarana;
21 Kanefa nony azony, injay misy hiriky
22 Ny ankasomparana.
23 Ary hitako fa ireo falifaly, mpihoraka
24 Fa feno ny soa.
25 Nihevitra ho avo tsy tratry ny toraka
26 Tsy hety ho voa,
27 Dia niandry ny farany ihany hamboraka
28 Ny niafina koa:
29 Ilay aloka iray mahatra-mampangoraka;
30 Dia ny alok'akoho!
31 Ary hitako ny rehetra fa manana fetrany
32 Tsy azo ihodivirana;
33 Fa na inona kiriny sy hoe amboletrany,
34 Tiany hidirana,
35 Izay tiany indrindra tsy maintsy hapetrany
36 Tsy azo ifikirana,
37 Fa ity tany ity, dia izany no toetrany
38 - Tsy azo ifandirana.
39 Ary hitako koa fa ny ratsy dia ambinina
40 - Saiky matetika -
41 Ary angamba izy mihevitra fa tsy hoadinina,
42 Ka be fitetika,
43 Manjehy andro ho lava izay satry hofihinina,
44 Hany ka mbetika
45 Ny fieritreretany tsy hainy ampanginina
46 Iniany alentika.
47 Ary hitako am-po sy an-tsaina tsy miambatra,
48 Hitako loatra
49 Fa samy hizaka ny anjara tsy miangatra
50 - Tsy afa-manoatra -
51 Ary hitako fa rehefa izany no atambatra,
52 Tsy misy hoatra
53 Ny mihevitra Toerana Hafa hahasambatra,
54 Dia any Ankoatra.
55 Ary hitako fa rahefa tsy maintsy hihelina
56 - Tsy hisy fandavana -
57 Tsy maintsy ho vovoka isika olombelona
58 Dia tsara hozahavana
59 Izay mba mahamamy kokoa ka ho telina
60 Ny fiainana, rahavana,
61 Tsotra io:
62 rantsano izay manelingelina
63 Ny fifankatiavana.
|
|