Teny iditra asa
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Rakotosaona 1975] [Tanala] tsy fantatro, tsy mahalala aho
  [Rajemisa 1985] Entina mamaly, ka milaza tsy fahafantarana na tsy fisafidianana: Rahoviana ionareo no handeha? -- Asa tsy fantatro fa manavy ny zanakay. / Handeha ianao sa hijanona? -- Asa, izay tianao no hataoko.
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] don't know
  [Hallanger 1973] I don't know
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] je n'en sais rien
Mpitovy hevitra asane ~ asany
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1 [Rabezandrina: Ikotofetsy, takila 12] "Asa," hoy Ikotofetsy, "tsy fantatro izay mahatonga izany."
2 [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 172] Asa na maty izy izay na mbola velona soa aman-tsara ihany.

Teny iditra asa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Teny ilazana izay atao: Asa mafy ny mitaona vato
¶ Raharaha: Inona no asan' ny rainao, ry zaza ?
¶ Fihadiana tany amin' ny angady mba hovolena: Tsy mbola vita asa itỳ tany itỳ ka karakarao
¶ Fampiasana: Asa saina
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] tillage, labour, work
  [Hallanger 1973] working the soil; work in general
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] culture du sol, travail
  [SLP 1986] emploi, fonction, opération, ouvrage, travail
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Lahatsoratra 

Teny iditra asa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Enti-milaza fiantsoana na fiangaviana olona hanatrika lanonana na hisakafo, fandidiana olona hanao zavatra.
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885]
Sampanteny 

Teny iditra asa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Enti-milaza fandranitana zava-maranitra.
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] sharpening
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] affûtage
Sampanteny 

Teny iditra asa
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rakotosaona 1975] [Betsimisaraka] lalàna

Teny iditra asa
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Rakotosaona 1975] [Taimoro] folo
Voambolana 

Teny iditra Asa
Sokajin-teny anaran-tsamirery (boky ara-baiboly)
Fanazavàna teny anglisy  [Baiboly] Asa: boky iray ao amin' ny Baiboly
  [Baiboly] Acts: one of the books of the Bible
Fanazavàna teny frantsay  [Baiboly] Actes: un des livres de la Bible
Voambolana 

Teny iditra ASA
Sokajin-teny anarana (fanafohezanteny) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [3.1] jereo Ankohonana - Sahirana - Arenina
Voambolana 
Mpanahaka  fanafohezan-teny

Teny iditra ASA
Sokajin-teny anarana (fanafohezanteny) [fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  [3.1] see American School of Antananarivo
Voambolana 
Mpanahaka  fanafohezan-teny
Habaka http://www.asamadagascar.org

Teny iditra ASA
Sokajin-teny anarana (fanafohezanteny) [fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  [3.1] voir Accueil des Sans-Abri
Voambolana 
Mpanahaka  fanafohezan-teny

Teny iditra ASA
Sokajin-teny anarana (fanafohezanteny) [fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  [3.1] voir Agro-Sylviculture autour d' Antananarivo
Voambolana 
Mpanahaka  fanafohezan-teny
Habaka http://www.asamada.eu

Nohavaozina tamin' ny 2022/07/30