Teny iditra asabotsy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Ravelojaona 1937] (Arabo es-sabt): ny andro fahafito ao amin'ny herinandro, manaraka ny Zoma, ary alohan'ny Alahady
  [Rajemisa 1985] Andro fahafito sady farany amin'ny herinandro. Araka ny finoan'ny Ntaolo, ny asabotsy dia andro mibontsina: fitomaniana ny maty, fanaovana ny famoizana sy afana.
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885, Hallanger 1973] Saturday
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888, Hallanger 1974] samedi
  [Rajaonarimanana 1995] (var. sabotsy) Samedi
Fanazavàna teny italianina  [Profita 1969] sabato
Fanazavàna teny alemà  [Bergenholtz 1991] Samstag. -- Das erste Spiel gibt es am Samstag nach der Sommerpause. Asabotsy tsy fiasana: ein arbeitsfreier Samstag. Synonym: Sonnabend
Voambolana 
Tsipelina hafa 
Tsanganana sy sary iray takila Fizaran' andro
Ohatra 
1 [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 15] Dia mangiana ny alin' ny asabotsy mifoha alahady.
2 [Andraina: Mitaraina, takila 57] Indray asabotsy hariva, mba tsy nidina tany an-tsaha izahay.
Teny nalaina 

Teny iditra Asabotsy
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] the place of holding Saturday's market.
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888] Nom des marchés qui se tiennent en ce jour.
  [Rajaonarimanana 1995] Le marché du samedi
Voambolana 
Ohatra  [Callet: Tantara, takila 75] ao Amparihy ao Ambohimanga, sy eo Ambatondrazaka ao atsimo n' Ambohimanga, sy eo Anosibe ao atsimo n' Ambohimanga, sy eo Ambatomasina ao andrefan' Anosy eo avaratra Asabotsy, ary eo Andranomboahangy eo andrefan' Ankadimbahoaka, ary Andranomiry eo avaratr' Alasora, sy eny Farihy andrefan' Alasora.

Nohavaozina tamin' ny 2020/11/22