Teny iditra | atao (tao) | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny atao | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Karakaraina sy vitaina: Ataovy ny raharahanao fa aza be resaka eo ¶ Anamboarana: Hataoko latabatra ity hazo tsara tarehy ¶ Ampiasaina: Nataony mpampianatra ny zanany aho ¶ Apetraka: Teto no nataoko ny satroko, nefa mahagaga fa tsy hitako eto intsony ¶ Ampidirina: Natao an-tranomaizina ilay mpangalatra ¶ Ahosotra, apetaka: Fanafody atao amin' ny tongotra ¶ Heverina: Nataoko ho efa vitanao ny fafa trano ¶ Antsoina: Fantatrao ve ilay zaza atao hoe: Isambilo? [Rajemisa 1985] | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny anglisy | to be done [Hallanger 1973] | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny frantsay | qu'on fait, qu'on fabrique [Hallanger 1974] | ||||||||||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||||||||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||||||||||||||
Ohatra | Lazaiko anao kosa anefa fa hataoko tsy maintsy henon'ny lehiben'ny distrika [Andraina: Mitaraina, takila 187] | ||||||||||||||||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny atao io | ||||||||||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |