Teny iditra | avana | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | anarana | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | [Betsimisaraka] antsibenandriamanitra [Rakotosaona 1975] | ||||||||||||||||
Zava-miseho indraindray eny amin' ny habakabaka, rehefa misy orana, izay miendrika andohalambo makadiry mipaka amin' ny lanin' ny vodilanitra roa, ary misy loko fito fototry ny loko rehetra: mena, volondaoranjy, vony, maitso, manga, angana ary volomparasy; rehefa misy avana miseho dia fambara fa efa hitsahatra ny orana [Rajemisa 1985] | |||||||||||||||||
Fanazavàna teny anglisy | the rainbow [Hallanger 1973] | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny frantsay | arc-en-ciel [Abinal 1888 takila 67, Hallanger 1974] | ||||||||||||||||
nimbe, lumière, éclat, splendeur [Abinal 1888 takila 67] | |||||||||||||||||
Voambolana | Haitoetrandro | ||||||||||||||||
Sampanteny |
| ||||||||||||||||
Mpitovy hevitra | antsibenandriamanitra | ||||||||||||||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||||||||||||||
Ohatra |
| ||||||||||||||||
Lahatsoratra | Randzavola: avana ao amin' ny Baiboly | ||||||||||||||||
Teny iditra | avana (ava) | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny atao | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Enti-milaza ny voly izay karakaraina ka ongotana ny ahidratsy maniry eo aminy: Efa tokony havana ity tanimbary itỳ fa be loatra ireo ahidratsy [Rajemisa 1985] | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny anglisy | to be weeded [Hallanger 1973] | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny frantsay | qu'on sarcle [Abinal 1888 takila 66, Hallanger 1974] | ||||||||||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||||||||||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny avana io | ||||||||||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/11/09 |
![]() |