|
|
|
|

Entrée (1/2)1  dihy
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3  fampisehoam-pihetsehana ataon' ny tena manontolo: loha, tanana, tongotra, ary indraindray koa aza ny vatana, mba hanehoana fifaliana
4  Toetran' ny fanidin' ny vorona eny amin' ny habakabaka raha tsy mihetsika na mikopaka ny elany [1.1]
Explications en anglais  5  a dance, dancing in the native style. See danise, tsinjaka [1.2]
6  a dance, dancing [1.7]
Explications en français  7  danse [1.3#102, 1.8]
8  sautillement, tournoiement de la toupie, du fuseau
9  le trémoussement des ailes d’un oiseau planant au même point [1.3#102]
Exemples  10  Velona indray ny hira amana dihy natao teo tamin' ny ndeha hangataka iny. [2.245]
11  Inona kosa, hoy Noro nony efa nitonitony izy, no tsy nitiavanao ny dihy? [2.5]
12  Tsimpony ny teny rehetra mampiseho ny maha-malagasy ny dihy sy ny mpandihy. [2.313]
Dérivés 
13  Verbes actifs :
14  Verbes passifs :
15  Verbes relatifs :
16  Noms :
Synonymes  17  danise, tsinjaka
Analogues  18  tsinjaka, sahoby, totorebika, tsipisandry, velatanana, dihy soroka, dada, jaiko, soamaroroka, tsaramiera, soratra, afindrafindrao, salegy
Mots composés 
Titres  31  Dihy (Rabearivelo Jean-Joseph)

Entrée (2/2)32  Dihy
Mots élémentaires  33  dihy
Partie du discours  34  nom propre (titre de poème)
Vocabulaire  35  Littérature: poèmes
Auteur  36  Rabearivelo Jean-Joseph
Tableaux et planches  37  Liste des poèmes
Texte complet 
38  Ritsodritso-baliha telo,
39  gobogobok' ampongatapaka,
40  lokanga dimy indray dinidy
41  sy sodin-taolana tsara loaka.

42  Io misonenika Ratovovavy,
43  miakanjo manga marain-droa !
44  Ny lamba valaka mavokely;
45  raozy gasy ao anaty volo.

46  Tsoakam-bero sa bararata
47  mihararetra any amoron' ala ?
48  Sidintsidin' ny andro meva,
49  sa angidi-mangan' ny eny an' ony?

50  Io misonenika Ratovovavy,
51  moana tahaka ny Fiadanana;
52  valiha telo, ampongatapaka,
53  lokanga, sodina no indray henony.

54  Fa injay ny molony mangovingovitra,
55  ipololoran'ny nofinofy;
56  tsy toha intsony ka zary kalo,
57  dia zary hira nony efa avy eo.
58  Mba hontsa koa Ravaviantitra,
59  ka io mirotsaka mba handihy,
60  mitari-joro ny ila sikiny,
61  dia toy ny androny mirefarefa.

62  Tsy kalokalo na hirahira
63  no mampifelana izato endriny,
64  ranomaso no mamonto azy,
65  mahatsiaro ny maty rehetra...

66  Mahatsiaro... Toa fenomanana
67  efa ho rendrika tsy ho hita.
68  inty mihintsana ny lohataona
69  ka zary fasana ravi-maina...

70  Dia mifanojo ny loha tondro,
71  ny tondro mihantsin-dRatovovavy
72  sy ny tondro efa fola-dRavaviantitra,
73  samy tanteraky ny hazavana.

74  Mifanojo ka toa tetezana
75  ifanohizan' ny alin-kely
76  efa foy ery an-tendrombohitra,
77  sy ny andro maneno akoho !

Anagrammes  78  Dihy, dihy, hidy, Dihy, dihy, hidy

Mis à jour le 2024/11/25