Texte complet |
6 Anaka!
7 Etsy àry, matoria, ka dia manofisa mamy
8 ary akimpio ny maso...'ty ny tanako iondany!
9 I dada ity mandrotsirotsy, fa i neny efa trotraka
10 nitaom-biriky anikeo ary efa saiky potraka
11 noho ny haben'ny havizanany...
12 ka savolaina be ny tanany
13 Raha mingonongonona aho, aza atao manaitra anao
14 fa tsy momba anao akory izao ventesiko eto izao...
15 ...Isaorako aza Andriamanitra, raha tsy fantatrao akory
16 izay alehan'ny fisainako,
17 na izay adin'ny fiainako
18 feno zava-mifamaho mila tsy hahitako tory
19 efa an-taona maro izao!
20
21 ...Soa fa niafina aminao,
22 izany izaho mifoha maraina
23 mieritreritra ao an-tsaina
24 sy mitetika ny asa hamonoako ny masoandro
25 ho sakafontsika anio, na dia hoe indray mahandro...
26 ...Nefa ny hofan'ny sarety nitaterako aza mbola
27 notrosaiko tato atsimo...Nisy ihany mantsy vola
28 teo am-pelatanantsika,
29 nokendrena tsy hipika,
30 nefa lasan-dreninao hividianan-tapa-damba
31 hanapenana 'ty lobako...Ary ny ambiny, hono, angamba
32 raha misy dia hatao
33 akanjo anatiny ho anao
34 fa mamirifiry loatra ity ririnintsika ity!
35
36 ...Nefa, etsy, matoria,
37 fa hadalana ny an' i dada, resak'olona efa lanaka
38 ka ny adi-sainy indray no entiny hampatory zanaka...
39 ...Ts'hita mantsy, ry sombinaiko,
40 f'efa miady be ny saiko!
41 Rahampitso fotsiny aza:hifindra trano ny ato avaratra
42 ka izaho no hokaramainy...Mety ho vitan'io ny karatra!
43 Kanjo reko indray izao, fa ny lalana ho sakanana
44 rahampitso vao maraina...Hisy mantsy fitokanana
45 ato akaikintsika ato, ka ny sarety izay mandeha
46 dia havily avokoa fa handalo ireo Lehibe...
47 Ary izay 'lay mahavoa
48 sady mahavaky fo
49 ny mpitrongy tahaka anay ...Fa toa maro ny hetraketraka
50 tongatonga fotsiny eny, ka dia mahaketraketraka...
51 Nefa, etsy, matoria...
52 Mikimpia dia mikimpia...
53 Ary aza omenao tsiny Idada sy ny redirediny
54 F'efa tafahoatra loatra ny ahiahy sy tebitebiny...
55 ...Miondàna, sombinaina
56 eto am-poko be taraina.
57 Anaka!
58 Etsy àry, matoria, ka dia manofisa mamy
59 ary akimpio ny maso...'ty ny tanako iondany!
60 I dada ity mandrotsirotsy, fa i neny efa trotraka
61 nitaom-biriky anikeo ary efa saiky potraka
62 noho ny haben'ny havizanany...
63 ka savolaina be ny tanany
64 Raha mingonongonona aho, aza atao manaitra anao
65 fa tsy momba anao akory izao ventesiko eto izao...
66 ...Isaorako aza Andriamanitra, raha tsy fantatrao akory
67 izay alehan'ny fisainako,
68 na izay adin'ny fiainako
69 feno zava-mifamaho mila tsy hahitako tory
70 efa an-taona maro izao!
71
72 ...Soa fa niafina aminao,
73 izany izaho mifoha maraina
74 mieritreritra ao an-tsaina
75 sy mitetika ny asa hamonoako ny masoandro
76 ho sakafontsika anio, na dia hoe indray mahandro...
77 ...Nefa ny hofan'ny sarety nitaterako aza mbola
78 notrosaiko tato atsimo...Nisy ihany mantsy vola
79 teo am-pelatanantsika,
80 nokendrena tsy hipika,
81 nefa lasan-dreninao hividianan-tapa-damba
82 hanapenana 'ty lobako...Ary ny ambiny, hono, angamba
83 raha misy dia hatao
84 akanjo anatiny ho anao
85 fa mamirifiry loatra ity ririnintsika ity!
86
87 ...Nefa, etsy, matoria,
88 fa hadalana ny an' i dada, resak'olona efa lanaka
89 ka ny adi-sainy indray no entiny hampatory zanaka...
90 ...Ts'hita mantsy, ry sombinaiko,
91 f'efa miady be ny saiko!
92 Rahampitso fotsiny aza:hifindra trano ny ato avaratra
93 ka izaho no hokaramainy...Mety ho vitan'io ny karatra!
94 Kanjo reko indray izao, fa ny lalana ho sakanana
95 rahampitso vao maraina...Hisy mantsy fitokanana
96 ato akaikintsika ato, ka ny sarety izay mandeha
97 dia havily avokoa fa handalo ireo Lehibe...
98 Ary izay 'lay mahavoa
99 sady mahavaky fo
100 ny mpitrongy tahaka anay ...Fa toa maro ny hetraketraka
101 tongatonga fotsiny eny, ka dia mahaketraketraka...
102 Nefa, etsy,matoria...
103 Mikimpia dia mikimpia...
104 Ary aza omenao tsiny Idada sy ny redirediny
105 F'efa tafahoatra loatra ny ahiahy sy tebitebiny...
106 ...Miondàna, sombinaina
107 eto am-poko be taraina.
|
|