Teny iditra famangiana (vangy)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] fitsidihana; fitsapana alahelo, fanaladiana
  [Akademia 2005 takila 274] fitsidihana havana, namana, toerana: Aza hadinoina ny famangiana ny any an-tanàna
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973 takila 17] a visit
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888 takila 809] l'action de visiter, la visite, la cause
  [Rajaonarimanana 1995 takila 322] visite
Ohatra 
1 [Razoharinoro: Soratra, takila 190] Koa rehefa vita ny famangiana dia mody.
2 [Ravelomanana: Lalana, takila 151] Vitsy ihany tao anatin' ny taona iray ny famangiana na fanasana toy ireny.

Teny iditra famangiana (vangy)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] vola entina mamangy: Ohatrinona ny famangiana hataontsika?
  [Akademia 2005 takila 274] fitsapana alahelo an' ireo tra-pahoriana na tra-boina na mana-manjo ho mari-piaraha-miory: Rahampitso ny mpifanolo-bodirindrina no hanao ny famangiana
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888 takila 809] les cadeaux de visite
  [Rajaonarimanana 1995 takila 322] cadeaux à l'occasion d'une visite
Ohatra  [Rabary: Daty, takila 36] Ny manan-kaja teto an-tanàna dia samy nidodododo hamangy azy sady nitondra famangiana : ondry, vorombe.

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31