Teny iditra fameno (feno)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Izay enti-mameno, izany hoe entina manovona ny zavatra iray banga na tsy ampy mba hahafeno azy
¶ Fomba entina mameno [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Ce qui comble la mesure ou complète le nombre, ce qu’il faut remplir ou compléter, manière de remplir [1.3]
Fanazavàna teny malagasy teny na andian-teny entina mameno ny hevitry ny enti-milaza na ny lazaina [1.13]
Fanazavàna teny frantsay complément [1.13]
Haiendriteny 
fameno
famenoko
famenonao
famenony
famenontsika
famenonay
famenonareo
famenon'
famenon-
famenom-
-pameno
-pamenoko
-pamenonao
-pamenony
-pamenontsika
-pamenonay
-pamenonareo
-pamenon'
-pamenon-
-pamenom-
Ohatra 
1ity no famenon'ny volanao (Voici ce qui complète la somme qui vous est due) [1.3]
2Hataoko ahoana no fameno io barika io? (Comment ferai-je pour remplir cette barrique?) [1.3]
3Io no sinibe famenonao isan’ andro (Voilà la grande cruche que vous devez remplir tous les jours) [1.3]

Fivaditsoratra fanome, fomena, mañefo, mañofe

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20