Teny iditra fanandramana (andrana)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Fampiasana zavatra vaovao vao namboarina mba ho fitsapana ny toetrany na ny fandehany
  [SLP 1986] asa fanaporofoana na fanamarinana na fampisongadinana fisehon-javatra iray
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888 takila 39] l'essai, l'expérience, l'épreuve, la dégustation
  [SLP 1986] expérience, expérimentation
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1 [Rajaonarivelo: Bina] Ny tenako no nanaovako fanandramana.
2 [Ravelomanana: Lalana] Santatra sy fanandramana aloha no hatao;
3 [Andraina: I Vola] Aoka aho izay amin' ny tsapatsapa sy ny fanandramana.
4 [Randriamiadanarivo: Sikajy] Niseho ho mpandini-javatra sy sahisahy nanao fanandramana loatra izy io.

Nohavaozina tamin' ny 2022/01/19