Teny iditra | fanompoana (tompo) | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Fanazavàna teny malagasy | raharaha na asa heverina ho adidy tsy maintsy atao araka ny maha-mponina, na mahavahoaka, na mahafirenena ary tsy andraisan-karama [Ravelojaona 1937] | ||||
Fanaovana ny raharahan' olona toy ny mpikarama ¶ Raharaha an-tery ho an' ny mpanjaka fahiny ¶ Raharaha na asa heverina ho adidy tsy maintsy atao araka ny maha-mponina na maha-isam-bahoakan' ny firenena ny tena, nefa tsy andraisankarama. [Rajemisa 1985] | |||||
asa maimaimpoana tsy maintsy ataon'ny olom-pehezina [SLP 1986] | |||||
Fanazavàna teny anglisy | servitude; services rendered; forced labor under former government regulations [Hallanger 1973] | ||||
Fanazavàna teny frantsay | corvée [Hallanger 1974, SLP 1986] | ||||
servitude; action de servir [Hallanger 1974] | |||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||
Ohatra |
| ||||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny fanompoana io | ||||
Teny iditra | fanompoana (tompo) | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Fanazavàna teny malagasy | Fanajana (olona) fatratra sy fanekena ny sitrapony: Fanompoana an' Andriamanitra [Rajemisa 1985] | ||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||
Ohatra | Eo amin' ny fanompoana ny Tompo ihany no aina no fetra [Ravelomanana: Lalana, takila 215] | ||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |