Teny iditra fantatra
Sokajin-teny matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Hay: Teny tsy fantatro no nifam-piresahany
¶ Hay ny anarany sy ny maha-izy azy: Fantatro ny rainao
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885, Hallanger 1973] known
  [Richardson 1885] recognised
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888, Hallanger 1974] connu, su
  [Abinal 1888] compris, reconnu
Sampanteny 
Haiendriteny 
-pantatra
-pantatro
-pantatrao
-pantany
-pantatsika
-pantatray
-pantatrareo
-pantatr'
-panta-
-pantatry
fantatra
fantatro
fantatrao
fantany
fantatsika
fantatray
fantatrareo
fantatr'
fanta-
fantatry
fantatra
fantatro
fantatrao
fantany
fantatsika
fantatray
fantatrareo
fantatr'
fanta-
fantatry
ho fantatra
ho fantatro
ho fantatrao
ho fantany
ho fantatsika
ho fantatray
ho fantatrareo
ho fantatr'
ho fanta-
ho fantatry
Ohatra 
1 [Andriamalala: Taolambalo, takila 61] Tiako ho fantatra!
2 [Abinal 1888, takila 150] Fantatro izany (Je sais cela)
3 [Randriamiadanarivo: Sikajy, takila 141] Olom-pantatr' i Ndremba ve ny vadinao?
4 [FOFAFIPE: Haivola, takila 30] Efa nanontaniako ireo olom-pantatra rehetra.
5 [Dahle: Angano, takila 25] Ataovy izay saim-pantatrao, tompoko, hoy ny vavy
6 [Randriamiadanarivo: Sikajy, takila 21] Nanjary toetrako io tsy natahotra zava-pantatro io fa rahefa hay mora atao.
7 [Abinal 1888, takila 150] Raha vao hitao izy dia tsy mbola fantatro (Je ne l'ai pas reconnu à première vue)
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2022/06/12