Teny iditra fikambanana (kambana)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fiarahana maro, fitambarana: Ny fikambanana no hery
¶ Antokon' olona vitsivitsy na maro miray noho ny asa, raharaha, hevitra politika, zava-kanto iombonana: Ny fikambanan' ny Mpanoratra sy Poety [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny anglisy a society, an organization [Hallanger 1973]
Fanazavàna teny frantsay L’action de se réunir, de s’unir, l'union, la jonction, l'ajustement, l’association, compagnie, société, congrégation [Abinal 1888 takila 307]
 association, organisation [Hallanger 1974, SLP 1986]
 société, congrégation [Hallanger 1974]
 groupement [SLP 1986]
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Vitsy foana no mpamboly tsy isan' ny fikambanana. [Rakotozafy: Ratsimba, takila 72]
2Efa hitan' ny masonareo koa ny herin' ny fikambanana. [Dahle: Angano, takila 132]
3Mitondra ny anaran' ny fikambanana ihany ny faritra voavoly. [FOFAFIPE: Haivola, takila 67]
4Lanin' ny sainao izao ny rijan-kevitra ajoron'ny fikambanana iray! [Andriamalala: Fanagasiana, takila 50]
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2021/12/20