Teny iditra fotsy
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Teny milaza loko mifanohitra amin' ny mainty, toy ny volon' ny taniravo izany na ny ronono. (Lazain' ny manam-pahaizana fa ny fotsy dia fitambaran' ny loko rehetra; hita porofo izany raha ohatra ka tsinjaraina amin' ny baoritra boribory ny loko fiton' ny avana: volomparasy, angana, manga, maitso, vony, haboka, mena, ka ahodinkodina mafy io baoritra io: loko fotsy no vokatra azo)
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] white [Mal. putih and in many Mal. Arch. languages; also maphutu, maphuti, etc.]
  [Hallanger 1973] white
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888, Deschamps 1936, Hallanger 1974] blanc
  [Deschamps 1936, Abinal 1888] nettoyé
  [Deschamps 1936] [Taisaka] propre
  [Abinal 1888] fourbi, rendu propre, blanchi
Sampanteny 
Teny mifanohi-kevitra 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny Loko
Ohatra  [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 171] Kasikety fotsy no teny an-dohany ka manarona ilay lelakomby eo an-tampon-kandriny;
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny fotsy ity (16)
Ambatofotsikely
Ambatofotsy
Amborompotsy
Ampasimpotsy
  Andranofotsy
Ankazofotsy
Antanifotsy
Hazofotsy
  Lambafotsy
Marofotsy
Ranofotsy
Riampotsy
  Tanifotsy
Vatofotsy
Vohipotsy
Zazafotsy
 

Teny iditra fotsy
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885] disregarded, vain, worthless, disparaging
Kamban-teny, lohateny, anarana 

Teny iditra fotsy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rakotosaona 1975] [Taisaka] ravinala
Fanazavàna teny frantsay  [Deschamps 1936] [Taisaka] ravenale
Mpitovy hevitra fontsy

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31