Teny iditra haren > haren-danim-bazo (hary, lany, vazo)
Sokajin-teny fomba fiteny
Fanazavàna teny malagasy ilazana ireo harena na fananana nomena ny sakaiza ratsy ka verivery foana ary very tanteraka; vola lany nanaovana ny sitrapon' ny vehivavy sakaiza [Rajemisa 1985]

Teny iditra haren > haren-tovonjaka (hary, tovona, zaka)
Sokajin-teny fomba fiteny
Fanazavàna teny malagasy fananam-be mbola miampy fahazoana harena [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny anglisy [tovona, an addition, zaka, endured.] extensive wealth. [Richardson 1885]

Teny iditra haren > haren-jazavavy (hary, zaza, vavy)
Sokajin-teny fomba fiteny
Fanazavàna teny malagasy vola na fananana entin' ny zazavavy mitokan-trano [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny anglisy a marriage portion given to a daughter. [Richardson 1885]

Teny iditra haren > haren-tsy mitombo (hary, tsy, tombo)
Sokajin-teny fomba fiteny
Fanazavàna teny malagasy vola ampisamborina tsy mba misy zanany [Rajemisa 1985]

Teny iditra haren > haren-tsaina
Sokajin-teny fomba fiteny
Fanazavàna teny frantsay culture, patrimoine culturel [SLP 1986]