Teny iditra hitsikitsika
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Karazam-borona salasalany, mivolon-takatra sady mainty ny volony, 30 sm ny halavany ary mivelona amin' ny nofom-biby madinika sy ny bibikely (Tinnunculus) -- Mahafinaritra jerena ny fanidin' ny hitsikitsika rehefa misonenika izay izy, ka nahatonga ny hiran' ny ankizy hoe: Mandihiza, Rahitsikitsika, hianaranay raha fararano [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny frantsay crécerelle [Rajemisa: Vakoka]
 crécelle malgache, oiseau de bon augure, qui porte bonheur [Boiteau 1997]
Voambolana 
Anarana siantifika Tinnunculus
Mpitovy hevitra ihitsikitsika ~ ikitiky ~ kitsikitsika
Ohatra Dia nisy hitsikitsika nisakana azy. [Dahle: Angano]
Teny nalaina 
Lahatsoratra 

Teny iditra hitsikitsika
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Karazan-kazo lehibe mafy [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny frantsay  [Betsileo, Merina] (Nom général de rhodocolea : Rhodocolea racemosa (Lam.) H.Perrier et Rhodocolea telfairiae (Bojer ex Hook.) H.Perrier (Bignoniaceae). Fruits comestibles, acidulés. [Boiteau 1997]
Voambolana 
Anarana siantifika Rhodocolea racemosa, Rhodocolea telfairiae
Mpanahaka  hitsika

Nohavaozina tamin' ny 2022/07/30