Teny iditra irery
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Iray, tokana, tsy misy namana: Olona irery tsy mahabata io vato io ~ Mitoetra irery ao izy
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] solitary, alone
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888 takila 282, Hallanger 1974] seul
  [Abinal 1888 takila 282] sans compagnon
  [Hallanger 1974] solitaire
Sampanteny 
Haiendriteny 
irery
-drery
Mpitovy hevitra irery tena ~ tokana
Mpanahaka  iray ~ tokana ~ hany ~ fotsiny ~ monja ~ singana ~ tsy amboa tsy lambo ~ irery tena ~ boribory ~ vato kiboribory
Ohatra 
1 [Ndema: Antakay, takila 72] Ny vy tsy hiko-rontana irery;
2 [Randriamiadanarivo: Sikajy, takila 25] Izaho irery sisa no tokan-tena.
3 [Andraina: I Vola, takila 96] Izay mandeha irery dia mipetra-drery tahaka ahy
Teny nalaina 

Teny iditra irerỳ (irỳ)
Sokajin-teny mpisolo anarana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Enti-manondro zavatra na olona maro ka ny halaviran-toerana tondroiny dia mitovy amin' izay tondroin' ny fototeny niaviany "irỳ" ihany: Vonjeo irerỳ ombin' ialahy, ry Isambilo, fa mitondraka
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] those far away (in sight), plural of iry
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] ceux-là, bien loin (visibles); pluriel de iry
Tsanganana sy sary iray takila ny mpisolo rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31