Teny iditra Itompokolahy (i-, tompo, -ko, lahy)
Sokajin-teny anaran-tsamirery (olona) [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] teny fanajana apetraka eo alohan' ny anaran' olona efa maty
Fanazavàna teny frantsay  [Malzac 1893] feu: itompokolahy Ranona (feu Untel)
Voambolana 
Mpitovy hevitra Ratompokolahy
Mpanahaka  Itompokovavy
Ohatra 
1 [Randriamiadanarivo: Sikajy, takila 194] Itompokolahy rainao anie ka nanan-karena e!
2 [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 185] Tsy nisy nilao mihitsy ny voalazan' Itompokolahy rainareo iny e!
3 [Rajohanesa: Kintana] Andeha mody hianareo, fa mba nahavita inona taminareo moa Itompokolahy Rainialijaona
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31