Teny iditra Kabary nataon-dRainitsiroba
Sokajin-teny anarana (kabary) [fitanisana]
Zana-dohateny Teny navalin-dRainitsiroba 10 Vtr an-dRadama I
Mpanoratra Cousins William Edward
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra
Lahatsoratra X. Teny navalin-dRainitsiroba 1Ovtra an-dRadama I. Raha avy izay hatezeran-dRadama, dia nofaniny ny manamboninahitra, tiany hanolotra izay diso, dia novalian-dRainitsiroba, 10vtra., Jeneraly tamy ny Mainty, ny tenin' Andriana. Ka hoy no famalin-dRainitsiroba ny tenin' Andriana, rehefa niala-tsiny izy ; fa nanatrika azy tompony izy rehetra:— Trarantitra, azamarofy hianao, ry Ilahidama, mifanantera amy ny ambani-lanitra ; fa raha avy izay hatezeranao aminay, hoy kosa no famalinay mpanompo, tsy akanga efitra izahay, ka raha kapohina manjohy sy mandositra any an-ala; fa akoho tamàn-trano no ho mihehy lavenona, ka raha kapohina sy tapak' elatra aza, tsy miala, fa mandositra eto anoloanao, ry Ilahidama ; fa raha hariva ny andro, samy mody mamonjy ny toeran' entana amy ny fitoerany hiany ; ka raha tonga ny vahiny, misaina miadana hianao tompony ; fa maro ny anaran' akoho ; ao ry kala-mavo, ao ry kala-mara, ao ry kala-fotsy, ao ry kala-mainty ; ka mbola hosainina sy hoheverina izay hovonoina, ka moa tsy ilay mpitsindro-davitra ery ala-tranon' olona hiany no ho faty, fandrao dia very ?

Izao no teny navalin-dRainitsiroba, nentiny nanolotra izay nitari-dàlana hifidian' izy tompony, fandrao manaratsy fanjakana. Dia nankasitrahan-dRadama izy tamy ny teny navaliny, fa olon-kendry no mamaly.


Nohavaozina tamin' ny 2022/09/20