Teny iditra kingakinga (kinga)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Fatrapanao zavatra haingana sy tsara, haingam-panao zavatra, mailaka, mivikiviky: Kingakinga ery Ikoto rehefa miasa
¶ Mahay, havanambanana: Mpitendry zavamaneno kinga Rakoto.
¶ Mailaka, mailamailaka, lahilahy, matselaka, tselika, analo, malaky, malady, mavika, mavibika, mavitrika, mavitribitrika, mivikiviky, mariadriaka, marisika
Sampanteny 
Mpitovy hevitra kinga
Ohatra 
1 [Rapatsalahy: Kintana, takila 31] Kingakinga ery ny Komandy, nody.
2 [FOFAFIPE: Haivola, takila 14] Olona kingakinga sy lalin-tsaina sady mahay zavatra, hono, izy io.
3 [Andraina: Mitaraina, takila 61] Ireo ankizy kingakinga fihetsika sy tsaratsara fitafy, hono, nanontanian' ilay mpanadina ela mihitsy.

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31