Teny iditra |
lahy
|
Sokajin-teny | mpamaritra
|
Fanazavàna teny malagasy | Manana ny fomba na toetran-dehilahy: Hanao tantsambo hono ny zanany lahy. [Rajemisa 1985]
|
Fanazavàna teny anglisy | masculine [Hallanger 1973]
|
Fanazavàna teny frantsay | mâle, masculin [Hallanger 1974]
|
| [Sakalava-Mayotte]
mâle [Andilidine: Lexique (takila L)]
|
Ohatra |
|
Haianarantany |
|
|
Teny iditra |
lahy
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Teny entina milaza olona na biby mifanohitra amin' ny vavy. Raha itenenana olona ny hoe lahy dia fampiasa: 1) Hilazana zanaka lahy: Dimy mianadahy ny zanako; telo vavy, roa lahy. 2) Miaraka amin' ny teny milaza isa: Dia niainga izy roa lahy. 3) Ilazana ny vady lahy: Rasoa no ao fa ny lahy vao lasa nivoaka [Rajemisa 1985]
|
Fanazavàna teny anglisy | a male, a man; a husband [Hallanger 1973]
|
Fanazavàna teny frantsay | mâle; homme; mari [Hallanger 1974]
|
Sampanteny |
Haiendriteny |
lahy
lahiko
lahinao
lahiny
lahintsika
lahinay
lahinareo
lahin'
lahin-
lahim-
| |
-dahy
-dahiko
-dahinao
-dahiny
-dahintsika
-dahinay
-dahinareo
-dahin'
-dahin-
-dahim-
| |
|
Teny mifanohi-kevitra |
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
Ohatra |
|
Teny nalaina |
Haianarantany |
|
|
Teny iditra |
lahy
|
Sokajin-teny | tenim-piontanana
|
Fanazavàna teny malagasy | Tenim-piontanana enti-milaza:
1) Alahelo, tsy fanampoizan-javatra: Lasa tokoa lahy izy!
2) Fiangaviana na fangatahana somary miambezo: Mba omeo aho lahy!
3) Fisalasalana, tsy fahalalana: Asa lahy! fa tezitra foana teo izy
4) Faniriana: Raha nanam-bola aho lahy novidiko itỳ saha itỳ [Rajemisa 1985]
|
Fanazavàna teny anglisy | used in phrases like: asa lahy!,
tsara lahy!,
maty lahy!
[Richardson 1885]
|
Kamban-teny, lohateny, anarana |
|
|