Teny iditra | latsaka | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | mpamaritra | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | [Rajemisa 1985]
(zavatra) Mianjera amin' ny tany: Latsaka ny satrony ka niondrika izy haka azy ¶ Mianjera ao anaty lavaka: Latsaka tao anaty fantsakana ny zanaky ry zareo ao atsimo / Aza avelanao ho latsaka ao anatin' ny fakam-panahy izahay ¶ Midina ambany, mitambotsotra: Latsaka ambany ny naotinao tamin' ny fanadinana farany ¶ (olona) Tonga mahia kely noho ny aretina: Latsakaerỳ ianao izany hatramin' ny nahararianao ¶ Mitete, mikoriana: Latsakany ranomasony teo am-pitantarana izany ¶ Tafiditra, tafalentika: Latsaka ao antsaiko ny teninao ¶ Ambany, ambaka: Tsy latsaka noho ny zokiny izy ¶ Ambany noho, kely noho: Tsy latsaka ny ariary zato no nividianako io boky io ¶ Fiteny amin' ny filazana ora raha mihoatra ny antsasany ka amin' izay atao fanalana amin' ny ora manaraka ny fotoana lazaina: Amin' ny sivy latsaka fahatelony izy no handeha | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny anglisy | [Richardson 1885] fallen down; fallen in, to fill a certain space; entered to be a scholar in a school, a soldier, etc.; laid, as bricks, stonework, etc.; not enough; fig. dead | ||||||||||||||||
[Hallanger 1973] falling down; fallen down; to flow; inferior, insufficient | |||||||||||||||||
Fanazavàna teny frantsay | [Abinal 1888, Hallanger 1974] qui coule | ||||||||||||||||
[Abinal 1888] tombé, versé, mort, né, pondu | |||||||||||||||||
[Abinal 1888] posé, placé, enrôlé, avalé, admis, approuvé, accepté, qui a pénétré | |||||||||||||||||
[Abinal 1888, Hallanger 1974] inférieur | |||||||||||||||||
[Abinal 1888] qui est descendu, qui n’atteint pas, qui n’arrive pas à, moins | |||||||||||||||||
[Hallanger 1974] qui tombe; insuffisant | |||||||||||||||||
Sampanteny |
| ||||||||||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||||||||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||||||||||||||
Ohatra |
| ||||||||||||||||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny latsaka io | ||||||||||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2022/02/08 |
![]() |