Teny iditra |
lavina
(la)
|
Sokajin-teny | matoantenin' ny iharana
|
Fanazavàna teny malagasy | (endrika pasiva) Tsy afaka nanda izy, fa tsy azo nolavina mihitsy ny porofo ¶ laviko ankitsirano izany ampanga lainga izany [1.10]
|
| Tsy ekena ho marina: Nolaviny izay nolazaiko ¶ Tsy raisina, tsy ekena: Nolaviny izay natoroko azy / Nolaviny ny fangatahako ¶ Lazaina ampahibemaso fa tsy fantatra: Nolavin' i Piera i Kristy / Laviko i Satana [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | to be refused, to be rejected,
to be disapproved, to be hated [1.2]
|
| to be refused, to be denied [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | qu'on refuse, qu'on nie, qu'on rejette,
à quoi on renonce, qu'on méconnait.
Efa nolaviny izay natolotrao azy:
il a refusé ce que vous lui avez offert.
Laviko izay lazainao: je nie ce que vous dites [1.3]
|
| qu'on refuse [1.5, 1.8, 1.6]
|
| qu'on nie [1.8, 1.6]
|
| qu'on renie; qu'on rejette [1.8]
|
Haiendriteny |
lavina
laviko
lavinao
laviny
lavintsika
lavinay
lavinareo
lavin'
lavin-
lavim-
lavi-
| |
nolavina
nolaviko
nolavinao
nolaviny
nolavintsika
nolavinay
nolavinareo
nolavin'
nolavin-
nolavim-
nolavi-
| |
holavina
holaviko
holavinao
holaviny
holavintsika
holavinay
holavinareo
holavin'
holavin-
holavim-
holavi-
| |
lavy, lavo | |
|
Ohatra |
1 | Angaha koa inoa ho azonao lavina?
[2.643]
|
2 | Tsy azo lavina fa misy ny toky nomena.
[4.27]
|
3 | Ary io zavamisy io mihitsy no lavina aminy.
[1.369]
|
|
Ohabolana |
|