Teny iditra madio (dio)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Tsisy loto: Aoka hadio ny tranonareo
¶ Mazava, azo itarafana: Madio mangalahala ny rano
¶ Tsy misy fangarony, tsy misy fahony: Volamena tena madio ity izany ~ Amin' ny fo madio no ilazako izany aminao
¶ Tsy misy zavatra azo aniniana: Madio ny eritreritro ka tsy raharahako izay lazainao
¶ Foana, lany daholo, mafafa: Nataon' ny tontakely nadio ny tranony
Mitovy hevitra: azo itarafana ~ mangalahala ~ manganohano ~ mangarahara ~ mangarangarana ~ mangasohaso ~ mangatsakatsaka ~ mangatsohatso ~ mangoratsaka ~ manjopiaka ~ tsisy pentina ~ tsy arahin-katina ~ tsy misy fahofaho ~ tsy misy loto ~ tsy misy raorao ~ tsy misy romoromo
Fanazavàna teny anglisy  [Richardson 1885, Hallanger 1973] clean
  [Richardson 1885] clear, pure, uncontaminated, free from guilt
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974, SLP 1986] propre
  [Hallanger 1974] propre, innocent
  [SLP 1986] pur
Haiendriteny 
madio
nadio
hadio
madiova
Teny mifanohi-kevitra 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
 
Ohatra 
1 [Andraina: I Vola, takila 10] Aiza no hisy lakozia madio?
2 [Ravelomanana: Lalana, takila 52] Maivana sy madio ny rivotra.
3 [Ravalison: Ratsilefilaza] Nisarona voaly fotsy madio i Sahondra.
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny madio ity (5)
Andranomadio
  Madiolamba
  Madiorano
  Sahamadio
  Vatomadio
 

Teny iditra madio
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Boiteau 1997] (merina, surtout dans l'Ankay d'après Grandidier) (de dio : ce qui est propre, net, et au sens figuré : innocent, chaste, comparer au sanscrit : dyu : clarté). Elaeocarpus alnifolius Baker (Elaeocarpaceae). L'amande des fruits est comestible (Grandidier) et peut fournir une huile très claire d'où probablement le nom.
Voambolana 
Anarana siantifika Elaeocarpus alnifolius

Teny iditra MAD-IO
Sokajin-teny anarana (fanafohezanteny) [fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  [3.1] Madagascar et Îles de l'Océan Indien
Tsanganana sy sary iray takila fanafohezan-teny

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31