Teny iditra mahery (hery)
Sokajin-teny matoanteny na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Matanjaka, manana herim-po: Mahery noho ianao izy ~ Mahereza, anaka
¶ Mazoto, manaobetsaka: Efa mahery mihinam-bary ity zaza ~ Mahery mianatra Ibalita
¶ Maharesy: Nahery ny miaramilantsika ka mifalia
¶ Mafy, mafimafy, henjankenjana: Mahery izany vary izany; asa na ratsy nahandro na efa toetrany mihitsy
¶ Mihoatra, manan-tombo: Mahery ariary fito ny vola nomenao ahy ~ Amin' ny roa ora mahery izao
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] strong
Fanazavàna teny frantsay  [Hallanger 1974] fort, puissant
Haiendriteny 
mahery
nahery
hahery
mahereza
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1 [Andriamalala: Ranomasina, takila 30] Mahery fofona sady matsatso!
2 [Razafiarivony: Harivolana, takila 220] Tena mahery izy ity Rangahy!
3 [Dahle: Angano, takila 159] Dia ny voalavo izany no mahery!
4 [Ratsimiseta: Nofiko] Na zovy mahery, dia vaky barara;
Teny nalaina 

Teny iditra mahery (hery)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Rakotosaona 1975] [Taisaka] mamerina
Haiendriteny 
mahery
nahery
hahery
mahereza

Teny iditra MAHERY
Sokajin-teny anarana (fanafohezanteny) [fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  [3.1] Madagascar Health and Environmental Research
Mpanahaka  fanafohezan-teny
Habaka https://www.hsph.harvard.edu/christopher-golden/mahery/

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31