Teny iditra mahery (hery)
Sokajin-teny matoanteny na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Matanjaka, manana herim-po: Mahery noho ianao izy ~ Mahereza, anaka
¶ Mazoto, manaobetsaka: Efa mahery mihinam-bary ity zaza ~ Mahery mianatra Ibalita
¶ Maharesy: Nahery ny miaramilantsika ka mifalia
¶ Mafy, mafimafy, henjankenjana: Mahery izany vary izany; asa na ratsy nahandro na efa toetrany mihitsy
¶ Mihoatra, manan-tombo: Mahery ariary fito ny vola nomenao ahy ~ Amin' ny roa ora mahery izao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy strong [1.7]
Fanazavàna teny frantsay fort, puissant [1.8]
Haiendriteny 
mahery
nahery
hahery
mahereza
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohatra 
1Mahery fofona sady matsatso! [2.471]
2Tena mahery izy ity Rangahy! [2.606]
3Dia ny voalavo izany no mahery! [2.69]
4Na zovy mahery, dia vaky barara; [1.240]
Ohabolana 

Teny iditra mahery (hery)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  [Taisaka] mamerina [1.78]
Haiendriteny 
mahery
nahery
hahery
mahereza

Teny iditra MAHERY
Sokajin-teny anarana (fanafohezanteny) [fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy Madagascar Health and Environmental Research [3.1]
Mpanahaka  fanafohezan-teny
Habaka https://www.hsph.harvard.edu/christopher-golden/mahery/

Fivaditsoratra mihare

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31