Teny iditra mahidy (hidy)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Rakotosaona 1975] [Tanala] kahidy, mahihitra: Mpañarivo mahidy ka mihary ho an'ny mpañary (mpanankarena mahihitra ka mihary ho an'ny mpandevina)
  [Rajemisa 1985] Mitsitsy tafahoatra; mahihitra
Mitovy hevitra: kafiry ~ kahidy ~ kahihitra ~ katity ~ kely hiratra ~ kely hoho ~ kely tanana ~ mafirana ~ mafy fonosana ~ mahihitra ~ makikitra ~ mamaky akotry ~ mandidy sofin' amalona ~ manjaitra atody ~ matsitsy ~ mihirim-belona ~ tiatia kely
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888] avare, parcimonieux
Ohatra  [Ndema: Antakay, takila 157] mahidy vava ny mpimasa sy mpisikidy ary mpanandro, angamba tsy hainy novaliana koa ny fanontanianay

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31