Teny iditra | malemy (lemy) | |||
Sokajin-teny | mpamaritra | |||
Fanazavàna teny malagasy | [Rajemisa 1985]
Malefaka, malambolambo: Malemy ny hoditry ny zaza ¶ Mora aforitra, tsy henjana, mora tapaka: Vola malemy ~ Malemy ity rantsan-kazo ity ¶ Mora tsakoina, boda, bodaka, mihonankonana: Tsara masaka ny hena ka malemy ~ Savoka malemy ¶ Kely aina, tsy matanjaka, mihozohozo, mangozohozo: Mbelà fa malemy loatra ianao ka tsy hahavita io asa io ¶ Tsy afa-manohitra fa manaraka ambokony, morainy loatra, rainazy: Malemy loatra amin-janany io Ramatoa io | |||
Fanazavàna teny anglisy | [Hallanger 1973] soft; weak | |||
Fanazavàna teny frantsay | [Hallanger 1974] mou; faible | |||
[SLP 1986] mou | ||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| |||
Mpanahaka | ||||
Ohatra | [Andraina: Mitaraina, takila 21]
Katsaka efa matoy nefa mbola malemy no alaina. | |||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny malemy io | |||
Teny iditra | malemy (lemy) | |||
Sokajin-teny | anarana | |||
Fanazavàna teny malagasy | [SLP 1986] voan'ny paralisia | |||
Fanazavàna teny frantsay | [SLP 1986] paralytique | |||
Voambolana | Fahasalamana | |||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |