Teny iditra mamely (vely)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mikapoka: Namely ny zanako tamin' ny tehina ianao
¶ Manisy: Mamely totohondry ahy izy
¶ Mahavoa, mampitondra faisana na fahavoazana: Namely ny tranon-dakolosy ny varatra omaly hariva / Namely mafy tokoa ny fofoka tamin' ity taona
¶ Mahavoa, mahatratra: Mamely ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy ny fahafatesana
¶ Misovoka, mananika: Mamely tampoka ny fahavalo ka aoka ho malina mandrakariva
¶ Manindrona, mandevilevy: Namely ahy mafy iny teniny iny
¶ Manaratsy: Namely ahy tao amin' ny gazetinao ianao
¶ Manohitra: Mamely ny fivavahana io gazety io [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny frantsay battre, donner des coups: Aza mamely azy tahaka izany (Ne le battez pas de la sorte) ~ Namely totohondry azy izy (Il lui a donné un coup de poing
¶ travailler de toutes ses forces, faire avec ardeur, attaquer fortement en paroles: Namely asa tokoa izahay androany (Nous avons travaillé tout de bon aujourd’hui) ~ Namely fatratra izy tamin’ ny fihinanana (Il a vraiment bien mangé, il s’en est bien donné au repas) ~ Namely fatratra izahay tamin’ ny dianay (Nous avons bien marché dans notre voyage) ~ Namely ahy mafy tamin’ ny teniny izy (Il m’a attaqué fortement dans ce qu’il a dit, il m'a réprimandé fortement) [Abinal 1888 takila 823]
Haiendriteny 
mamely
namely
hamely
mameleza
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1ary ny mosary koa mamely isam-pahavaratra. [Rainitovo: Tantara]
2ka manomboka mamely, ivohony, ny fahavalo. [Profita: Ranary]
3Isan'izay mahagaga indrindra ity parasy mamely mafy ity. [Cohen-Bessy: Rakotovao]
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2022/04/02