Teny iditra manangona (angona)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Manao izay hahatonga olona maro amin' ny toerana iray: Manangona ny mpianatra rehetra ny lehiben' ny sekoly
¶ Mamory zavatra betsaka hotehirizina: Manangona loto no raharahan-dRangahy iny
¶ Mampivondrona: Nanangona ny heriny rehetra izy dia nitsambikina [Rajemisa 1985]
Fanazavàna teny anglisy to collect, to assemble, to gather things or persons together. [Richardson 1885]
Fanazavàna teny frantsay rassembler, accumuler [SLP 1986]
Haiendriteny 
manangona
nanangona
hanangona
manangòna
Ohatra Tsy maintsy manangona hery tsara amin' ny fitondrana azy an-doloha ho ery amin' ny gara, iny alina iny ihany. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 34]
Teny nalaina 

Teny iditra manangòna (angona)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manangona [fitanisana]

Teny iditra manangona
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Tankarana] (de manana : prendre, avoir, et gona : les coups). Sakoanala villosa R.Vig. (Fabaceae). Bois sans grand intérêt. Voir aussi sakoanala. [Boiteau 1997]
Voambolana 
Anarana siantifika Sakoanala villosa

Nohavaozina tamin' ny 2022/01/01