Teny iditra | manao (tao) | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Mamorona zavatra vaovao: I Denis Papin no nanao ny masinina mandeha amin' ny herin' ny etona ¶ Mahary, mampisy ny tsy misy: Andriamanitra no nanao izao tontolo izao ¶ Manamboatra, manangana, mandrafitra: Nanao trano any ambanivohitra izahay ~ Manao latabatra ¶ Mikarakara sy mahavita, manatanteraka asa iray: Aoka samy hanao ny adidiny ~ Tsy hanao izany tetika amporisihinao izany aho na homenao vola be aza ¶ Miteny, milaza: Dia hoy Andrianampoinimerina nanao hoe: "Ny ranomasina no valampariako" ¶ Milatsaka, mirotsaka amin' ny raharahairay: Nanao dokotera ny zokiko ¶ Mihevitra: Manao ahy ho badolahy manko ianao ¶ Mikasa, mitetika: Nanao handeha rahariva izy ¶ Mitondra (akanjo, fitafiana na haingo) eny amin' ny tena: Tonga nitady anao teo ilay olona manao solomaso mainty iny ¶ Mametraka: Iza no nanao ny kofafa teto ambony latabatra? [Rajemisa 1985] | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny anglisy | to do, to act; to think [Hallanger 1973] | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny frantsay | faire, agir; penser [Hallanger 1974] | ||||||||||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||||||||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||||||||||||||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny manao io | ||||||||||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |