Teny iditra | mandeha (leha) | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Mamindra toerana ny vatan-tena amin' ny famindrafindrana ny tongotra:
Tsy mbola afaka mandeha ny marary. /
Efa miana-mandeha ny zafikeliko ¶ Mizotra: Nandeha tamin' ny arabe izy fa tsy nihazo ny lalan-kely akory ¶ Miala, miainga: Tongava maraindraina fa amin' ny fito aho no handeha ¶ Mandalo: Nandeha tany antsena aho aninaraina ¶ Mihelina, miserana: Mandeha haingana ny andro rehefa ririnina ¶ Mihetsika ara-dalàna ny milina ao aminy: Mandeha ve iny famantaranandronao iny? ¶ Mandroso: Mandeha ve izao varotrao ? [1.1] | ||||||||||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||||||||||
Kamban-teny |
| ||||||||||||||||
Ohabolana | Ohabolana misy io teny mandeha io | ||||||||||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20 |
![]() |