Teny iditra mandrakizay (andraka, izay)
Sokajin-teny tambinteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Rajemisa 1985] Tsy misy fiandohany ary tsy misy fiafarany: Andriamanitra dia mandrakizay
¶ Tsy manampahataperana: Ny fiainana mandrakizay
¶ Na rahoviana na rahoviana: Tsy hisaraka aminao mandrakizay aho
Mitovy hevitra: alaovalo ~ antaranoana ~ doria
Fanazavàna teny anglisy  [Hallanger 1973] forever
Fanazavàna teny frantsay  [Abinal 1888, Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995] éternellement
  [Hallanger 1974] à tout jamais
Voambolana 
Mpitovy hevitra mandrakizay alaovalo ~ mandrakizay antaranoana ~ mandrakizay doria
Ohatra 
1 [Andriamalala: Ranomasina, takila 25] Rahefa manambady aho dia ho mandrakizay, fa tsy ho vetivety.
2 [Andriamalala: Taolambalo, takila 152] ho tia an' i Sahondra mandrakizay!
3 [Rajaonarivelo: Bina, takila 92] - Veloma mandrakizay ary, ry Raozikeliko.
4 [Cohen-Bessy: Rakotovao, takila 42] Ny Tangena dia tsy ampinomana mandrakizay.
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31